The cathedral of Korçë, Albania (by Troels Roland).
Endrikendriky ny fiangonana kristiana tatsinanana…
(via itrav3l)
The cathedral of Korçë, Albania (by Troels Roland).
Endrikendriky ny fiangonana kristiana tatsinanana…
(via itrav3l)
☮ Serene Boho here ☮
Ekena tokoa fa efa nanana ny vakoka sy kolontsaina an’arivony taona i Shina, saingy lesona fianarana hatrany ny mamadika ny toerana iray ho lasa toera-pitsidihana, na mahavariana ho an’ny rehetra.
(via wild-p-roof)
Ny 28 avrily 1945, izany hoe 67 taona lasa izay, novonoina sy notifirin’ny sokajin-tafika mpitifitra tao avaratr’i Italia ry Missolini sy ny namany akaiky (mbamin’ny sipany Clara Petacci) raha tratra saika handositra tany Soisa, firenena tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa ary tsy miady.
Nentina tany Milan ny vata-mangatsiakan’izy ireo ny ampitso, izany hoe ny 29 avrily 1945) ka nahantona mitsimbadika teo amin’ny tobin-dasantsy iray ho hitan’ny besinimaro. Nidarodaroka ny sisan’ireo maty (Mpanao didijadona Missolini sy ny akamany) ireo ny andiam-bahoaka Italiana tezitra.
Alina dimy sy andro efatra tsy iasana amin’ity faran’ny herinandro ity, Misy ireo lasa nisintaka kely tany ambanivohitra tany. Misy kosa ireo namonjy toera-pitsangatsanganana any amin’ny faritra mafana toa an’i Mahajanga.
Tsy latsak’izany fa misy ny mahavatra mivoaka any ivelan’i Madagasikara ihany koa miaraka amin’ny ankohonana. Misy ny malaza ho afa-manao izany saingy tsy afaka ny manamarina aho. Tsahotsaho koa moa manahirana eto Madagasikara, ary tsy fantatra ny toerana andehanany…
Ity toerana mahafinaritra ity kosa heveriko fa toerana fandraisam-bahiny natokana indrindra ho an’ny mahay milomano. Vita voatra ny toerana na dia mifanila amin’ny natiora mahafinaritra aza.
(Source: m-e-r-m-a-i-d-c-h-i-l-d, via live-n-letgo)
Ny tanàna toy izao ve no atao hoe tanàna miorina ambony vatolampy, eny fa na dia ranomasina avy hatrany aza no ao ambaniny?
(via live-n-letgo)